Ho antsika Malagasy rehetra, sy ireo vondrona sy fikambanana

Transcript

Ho antsika Malagasy rehetra, sy ireo vondrona sy fikambanana
Ho antsika Malagasy rehetra, sy ireo vondrona sy fikambanana rehetra
misy eto Italia
Misy zaza iray mitondra ny anarana hoe Fitahintsoa Joséphine, 17
volana, mipetraka any Fianarantsoa marary voan'ny neuroblastoma, mila
fitsaboana maika sy goavana ary haingana dia haingana satria
mihamahazo vahana andro aman'alina ilay aretina mikiky azy. Tsy mbola
nahita association afaka hiantsoroka ny fitsaboana azy izahay
hatramin'zao fa olona iray filohan'ny mpanao gazety Sakaizan'ny
Kilonga Sud any Fianarantsoa no nanoratra taminay tao amin'ny site
nangata-bonjy ka nahatonga anay telo mianadahy nanao zay vitanay
miaraka amin'ireo namana mianadahy ao Antananarivo izay efa niaraka
nitolona taminay hatrizay tamin'ireo zaza vitsivitsy nomenay sy mbola
omenay tànana.
Omaly, vokatry ny fifanampiana avy amin'ireo malala-tanana vitsivitsy,
dia efa tafakatra ao Antananarivo i Fitahintsoa Joséphine sy ny reniny
miaraka amin'i Mme Rondro izay assistante sociale miasa ao amin'ny
commune de Fianarantsoa. Io Mme Rondro io no isan'ny niantra azy
mianakavy kely tamin'ny fividianana ny fanafody hatrizay tany
Fianarantsoa niaraka tamin' andriamatoa François mpanao gazety. Vita
soa amantsara omaly ary ny scanner ary eo am-piandrasana ny valiny
izahay izao, ary eo am-pitadiavana dokotera afaka handray an-tanana ny
momba ny fitsaboana an'i Joséphine.
Kajy tsotsotra araka ny traikefa azo hatreto no nataonay ka vola
tokony ho 9 Millions de FMG eo ho eo no ilaina hiatrehana izany
(fandidiana, fanafody isan-karazany, thérapie aorian'ny fandidiana asa na chimio na inona no hiandry azy fa ho hita izay holazain'ny
mpitsabo).
Noho izany dia nanapa-kevitra izahay telo mianadahy hanao antso avo ho
antsika eto Italia ihany koa hanohana anay amin'ny famonjena ny ain'i
Joséphine kely. Efa nanomboka afak'omaly no niara-nientana ny namana
vitsivitsy (na tao amin'ny facebook na tamin'ny email) nanolotra izay
zaka ka inoanay fa tsy ho diso anjara amin'ny fanohanana koa isika.
Dia isaorana mialoha sahady amin'izay fanampiana mety ho vitanareo fa
na dia kely aza no mitambatambatra dia mahavita zavatra goavana any
Madagasikara izany.
Ireto ny fomba azontsika eto Italia atao raha handefa ny fanampiana:
- Mandeha any amin'ny Poste dia manao ricarica postepay (tenenina ao
amin'ny paositra hoe hanao ricarica Postepay)
Numero di Carta: 4023600470492176
Intestazione: RAKOTOARISOA HERINIAINA EUGENE
Azonareo andefasana email na sms manokana i Hery (3387442412) milaza ny anarana.
- Atolotra tànana any amin'i Rondro (3298457783) na Andry (3471432921)
na Hery (3387442412)
- Amin'ny alalan'ny Carte Bancaire na Postepay- Afaka mandefa email
aty aminay dia alefanay ny toerana hanaovana izany.
Dia mamerina ny fisaorana mitafotafo ho antsika rehetra fa zava-dehibe
tokoa ny vonjy aina tahaka izao.
Ary mba miangavy antsika ihany koa mba hitondra am-bavaka ny
fahasalaman'i Joséphine sy ireo izay mikarakaraka azy.
Indro alefanay miaraka amin'ity hafatra ity ny sary telo misy an'i
Joséphine kely.
Rondro, Andry ary Hery
www.malagasy.it